bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 7 › Boky voalohan'ny Tantara 7:8
Boky voalohan'ny Tantara 7:8
Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin’ ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when these lepers came to the uttermost part of the camp, they went into one tent, and did eat and drink, and carried thence silver, and gold, and raiment, and went and hid it; and came again, and entered into another tent, and carried thence also, and went and hid it.
In Context
7Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin’ iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
9Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangìna isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain’ ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 7
Cross References
2 Kings 5:24Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
Matthew 13:44Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
This Verse In Other Editions
Study Boky voalohan'ny Tantara 7:8