Boky voalohan'ny Tantara 9:11
Ary Jeho nivoaka nankao amin’ ny mpanompon’ ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan’ iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 9
Cross References
2 Kings 5:21Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
2 Kings 9:17Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon’ ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin’ i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
2 Kings 9:22Ary Jorama, nony nahita an’ i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’ i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
Jeremiah 29:26Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon’ i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
Mark 3:21Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
Acts 17:18Ary ny olon-kendry sasany tamin’ ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’ io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ ny maty no notoriny.