Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1:10
Ary amin’ izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1
Cross References
Psalms 15:5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Psalms 62:2Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
Psalms 112:6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
Isaiah 56:2Sambatra ny zanak’ olombelona izay manao izany, ary ny zanak’ olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
Matthew 7:24Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy.
Acts 20:24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.