Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1:14
satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’ i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1
Cross References
Deuteronomy 4:21Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’ i Jordana aho, na hiditra any amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
Joshua 23:14Ary, indro, efa handeha ho amin’ ny lalana falehan’ ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
John 21:18Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’ izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao.
2 Timothy 4:6Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.