Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1:17
Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako”.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1
Cross References
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Matthew 11:25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
Matthew 17:3Ary, indreo, niseho tamin’ ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’ i Jesosy.
Matthew 28:19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Mark 9:7Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
Luke 9:34Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.