Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1:8
Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 1
Cross References
Matthew 13:22Ary ilay nafafy teny amin’ ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
Matthew 20:6Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
John 5:42Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’ Andriamanitra ao am-ponareo.
John 15:6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
1 Corinthians 15:58Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.
2 Corinthians 8:2fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny hafaliany, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.