Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2:1
Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ ny tenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ ny fahamarinana.
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2
Cross References
Deuteronomy 13:1Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
1 Kings 18:19Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin’ i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin’ ny latabatr’ i Jezebela.
Nehemiah 6:12Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.
Isaiah 56:10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Jeremiah 23:16Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
Jeremiah 27:14Koa aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin’ ireo aminareo.