Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2:15
efa niala tamin’ ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’ i Balama, zanak’ i Beora, izay tia ny tambin’ ny tsi-fahamarinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2
Cross References
Numbers 22:18Fa namaly Balama ka nanao tamin’ ny mpanompon’ i Balaka hoe: Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volemana eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’ i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
Numbers 22:28Dia nosokafan’ i Jehovah ny vavan’ ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’ i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
Deuteronomy 23:4Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
1 Kings 18:18Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
Nehemiah 13:2satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak’ Isiraely izy, fa nanamby an’ i Balama hanozona azy; kanjo nampodin’ Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
Ezekiel 9:10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.