Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2:20
Fa raha misy efa afaka amin’ ny fahalotoan’ izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’ izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2
Cross References
Leviticus 13:20Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin’ ny fery izany.
Leviticus 14:43Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin’ ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
Deuteronomy 32:29Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
Luke 11:24Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
Hebrews 6:4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masìna
2 Peter 1:2hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.