Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3:12
sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ ny andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3
Cross References
Isaiah 2:1Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
Isaiah 64:1Dia tahaka ny fandevon’ ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
1 Corinthians 1:7ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
Titus 2:13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
2 Peter 3:10Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
Revelation 6:13Ary ny kintana tamin’ ny lanitra dia niraraka tamin’ ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ ny rivotra mahery izy.