Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3:16
tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masìna koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3
Cross References
Exodus 23:2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
Deuteronomy 16:19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
2 Kings 1:1Ary Moaba niodina tamin’ ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
Jeremiah 23:36Fa ny hoe: Ny entan’ i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin’ ny olona avy ihany no ho entan’ ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’ Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitsika.
Matthew 15:3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
Matthew 22:29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra.