Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3:17
Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3
Cross References
Matthew 7:15Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
Matthew 16:11Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Mark 13:22Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
Acts 2:42Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
1 Corinthians 10:12Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
2 Corinthians 11:3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.