Boky voalohan'ny Mpanjaka 1:2
Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 1
Cross References
Genesis 22:4Nony tamin’ ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
Genesis 37:29Dia niverina nankeo amin’ ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
Genesis 43:28Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
1 Samuel 4:12Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin’ ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
1 Samuel 20:41Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin’ ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’ i Davida dia mafy loatra.
2 Samuel 4:10ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga, hanomezako azy ny valin’ ny teny mahafaly nentiny;