bible.software › Boky voalohan'ny Mpanjaka › Boky voalohan'ny Mpanjaka 10 › Boky voalohan'ny Mpanjaka 10:5
Boky voalohan'ny Mpanjaka 10:5
Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin’ i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin’ ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When they told it unto David, he sent to meet them, because the men were greatly ashamed: and the king said, Tarry at Jericho until your beards be grown, and then return.
In Context
4Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
6Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 10
Cross References
Joshua 6:1Ary nihidy mafy Jeriko tamin’ izany noho ny Zanak’ Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
1 Kings 16:34Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.
This Verse In Other Editions
Study Boky voalohan'ny Mpanjaka 10:5