Boky voalohan'ny Mpanjaka 12:11
Izao koa no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ ny vadinao amin’ izao antoandrobenanahary izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 12
Cross References
2 Samuel 13:1Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’ i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’ i Davida.
2 Samuel 15:6Ary toy izany no nataon’ i Absaloma tamin’ ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’ i Absaloma ho azy ny fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
2 Samuel 16:11Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
2 Samuel 16:22Ary dia nanorin-day ho an’ i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin’ ny vaditsindranon-drainy teo imason’ ny Isiraely rehetra.
Ezekiel 14:9Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin’ ny Isiraely oloko izy.
Hosea 4:13Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.