Boky voalohan'ny Mpanjaka 12:13
Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 12
Cross References
Exodus 9:27Dia naniraka Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’ izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
Leviticus 24:17Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
1 Samuel 15:20Fa hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nihaino ny feon’ i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin’ izay nanirahan’ i Jehovah ahy ary nitondra an’ i Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
1 Samuel 15:30Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ ny loholoko sy eo anatrehan’ ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
2 Samuel 24:17Ary nony hitan’ i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’ i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko.
1 Kings 21:20Ary hoy Ahaba tamin’ i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah.