Boky voalohan'ny Mpanjaka 12:14
Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’ i Jehovah amin’ izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 12
Cross References
Nehemiah 5:9Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
Psalms 89:31Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
Psalms 99:8Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
Isaiah 52:5Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
Amos 3:2Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
Romans 2:24Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra any amin’ ny jentilisa.