Boky voalohan'ny Mpanjaka 13:28
Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 13
Cross References
Genesis 19:32andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
Exodus 1:18Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’ i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Judges 19:9Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
Ruth 3:7Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
1 Samuel 22:17Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodìna, ka vonoy ny mpisoron’ i Jehovah; fa ny tànan’ ireo koa momba an’ i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron’ i Jehovah.