Boky voalohan'ny Mpanjaka 13:3
Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 13
Cross References
Genesis 3:1Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?
Genesis 38:20Dia nampitondrain’ i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’ osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
1 Samuel 16:9Ary Jese dia nampandalo an’ i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
2 Samuel 14:2Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
2 Samuel 21:21Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin’ i Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
1 Chronicles 27:32Ary Jonatana, rahalahin-drain’ i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak’ i Hakmony, dia teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka;