Boky voalohan'ny Mpanjaka 15:10
Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 15
Cross References
2 Samuel 2:11Ary ny andro nanjakan’ i Davida tao Hebrona tamin’ ny taranak’ i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
2 Samuel 5:5Tao Hebrona no nanjakany tamin’ ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
2 Samuel 14:30Koa dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’ i Joaba mifanolotra amin’ ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin’ ny afo izany. Ary ny mpanompon’ i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
1 Kings 1:11Ary Natana niteny tamin’ i Batseba, renin’ i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak’ i Hagita, nefa tsy fantatr’ i Davida tompontsika akory izany?
2 Kings 9:13Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’ i Jeho teo amin’ ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
1 Chronicles 12:23Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah: