Boky voalohan'ny Mpanjaka 16:1
Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 16
Cross References
1 Samuel 16:20Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo.
1 Samuel 25:18Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’ aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ ny boriky izany.
2 Samuel 15:30Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
2 Samuel 17:27Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak’ i Amona, sy Makira, zanak’ i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
1 Chronicles 12:40Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.
Proverbs 29:4Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.