Boky voalohan'ny Mpanjaka 16:10
Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 16
Cross References
Genesis 50:20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
2 Samuel 3:39Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
2 Samuel 19:23Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin’ ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan’ ny Isiraely anio?
1 Kings 22:21Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin’ inona anefa?
Job 9:12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
Lamentations 3:37Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?