Boky voalohan'ny Mpanjaka 16:12
Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 16
Cross References
Genesis 29:32Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
Exodus 3:7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
Deuteronomy 23:6Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
Psalms 10:14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Psalms 109:28Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
Joel 2:14Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo.