Boky voalohan'ny Mpanjaka 17:14
Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon’ i Ahitofela ny nataon’ i Hosay Arkita. Fa efa notendren’ i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’ i Ahitofela, hampidiran’ i Jehovah loza amin’ i Absaloma.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 17
Cross References
Exodus 9:16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
Joshua 11:20Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Samuel 15:34fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin’ i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
2 Chronicles 10:15Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
2 Chronicles 25:20Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin’ Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
Job 12:17Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.