Boky voalohan'ny Mpanjaka 18:17
Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 18
Cross References
Joshua 8:29Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
2 Samuel 19:5Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin’ ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
2 Samuel 19:9Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
2 Samuel 20:22Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin’ ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin’ ireo ny lohan’ i Seba, zanak’ i Bikry, ka natsipiny teny amin’ i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin’ ny tanàna ny olona samy ho any amin’ ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin’ ny mpanjaka.
Proverbs 10:7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.