Boky voalohan'ny Mpanjaka 19:18
Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon’ ny taranak’ i Saoly, mbamin’ ny zananilahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an’ i Jordana teo alohan’ ny mpanjaka izy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 19
Cross References
2 Samuel 9:10Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.
Psalms 66:3Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.
Revelation 3:9Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.