Boky voalohan'ny Mpanjaka 19:22
Fa namaly Abisay, zanak’ i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr’ i Jehovah izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 19
Cross References
1 Samuel 26:8Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
1 Samuel 26:11Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan’ ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
2 Samuel 16:5Ary nony nanakaiky an’ i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’ i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’ i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana.
Isaiah 16:5Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
Luke 9:54Ary raha hitan’ i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?