Boky voalohan'ny Mpanjaka 19:43
Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda dia namaly ny lehilahy amin’ ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin’ izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 19
Cross References
Judges 9:23Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’ i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’ i Abimeleka,
2 Samuel 5:1Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2 Samuel 19:14Ary ataovy amin’ i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin’ ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’ i Joaba ianao.
2 Samuel 20:6Ary hoy Davida tamin’ i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak’ i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
Proverbs 15:1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.