Boky voalohan'ny Mpanjaka 2:1
Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Genesis 32:2Ary Jakoba nizotra tamin’ ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin’ Andriamanitra nitsena azy.
Numbers 27:21Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
Joshua 15:13Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).
1 Samuel 10:22Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.
1 Samuel 23:4Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
1 Samuel 30:7Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.