Boky voalohan'ny Mpanjaka 2:23
Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian’ i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin’ izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ ilay nikarapohan’ i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 2
Cross References
2 Samuel 3:27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
2 Samuel 5:6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
2 Samuel 20:12Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin’ ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’ i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.