Boky voalohan'ny Mpanjaka 2:6
Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Joshua 2:14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
2 Samuel 9:3Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
2 Samuel 10:2Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ ny tanin’ ny taranak’ i Amona ny mpanompon’ i Davida.
Psalms 57:3Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
Matthew 5:7Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
Matthew 10:16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.