Boky voalohan'ny Mpanjaka 20:13
Ary nony nafindrany niala teo amin’ ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an’ i Joaba ny olona rehetra hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 20
Cross References
Numbers 20:19Dia hoy ny Zanak’ Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
1 Samuel 6:12Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin’ ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin’ ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary ireo andrianan’ ny Filistina nanaraka azy hatramin’ ny fari-tanin’ i Beti-semesy.
2 Kings 18:17Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Isaiah 7:3Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,
Isaiah 62:10Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena.
Mark 10:46Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.