Boky voalohan'ny Mpanjaka 22:20
Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He brought me forth also into a large place: he delivered me, because he delighted in me.
In Context
19Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Genesis 26:22Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen’ i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin’ ny tany.
1 Chronicles 4:10Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
Psalms 31:8Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,
Psalms 118:5Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
Psalms 149:4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
Hosea 4:16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.