Boky voalohan'ny Mpanjaka 22:44
Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
45Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Deuteronomy 28:13Dia hataon’ i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
2 Samuel 5:1Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2 Samuel 18:6Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ ny Isiraely, ka rafitra tao amin’ ny alan’ i Efraima ny ady;
2 Samuel 19:14Ary ataovy amin’ i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin’ ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’ i Joaba ianao.
2 Samuel 20:22Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin’ ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin’ ireo ny lohan’ i Seba, zanak’ i Bikry, ka natsipiny teny amin’ i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin’ ny tanàna ny olona samy ho any amin’ ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin’ ny mpanjaka.
Psalms 2:8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.