Boky voalohan'ny Mpanjaka 23:10
dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 23
Cross References
Joshua 10:42Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’ i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ ny Isiraely.
Judges 15:14Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.
1 Samuel 11:13Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan’ i Jehovah famonjena teo amin’ ny Isiraely.
1 Samuel 14:23Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin’ izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
1 Samuel 19:5fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an’ i Davida?
2 Kings 5:1Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.