Boky voalohan'ny Mpanjaka 23:34
Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Eliphelet the son of Ahasbai, the son of the Maachathite, Eliam the son of Ahithophel the Gilonite,
In Context
33Sama Hararita, Ahiama, zanak’ i Sarara Hararita,
35Hezray Karmelita, Paray Arbita,
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 23
Cross References
Deuteronomy 3:14Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
2 Samuel 10:6Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
2 Samuel 11:3Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’ i Eliama, sady vadin’ i Oria Hetita?
2 Samuel 15:31Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
1 Chronicles 27:33ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan’ ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an’ i Ahitofela dia Joiada, zanak’ i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjaka dia Joaba.