Boky voalohan'ny Mpanjaka 24:1
Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra indray tamin’ ny Isiraely, ka dia nanome saina an’ i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 24
Cross References
Genesis 45:5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
Exodus 7:3Ary Izaho hanamafy ny fon’ i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
1 Samuel 26:19Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak’ olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ ny lova nomen’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
2 Samuel 16:10Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
1 Kings 22:20Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.