Boky voalohan'ny Mpanjaka 24:17
Ary nony hitan’ i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’ i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 24
Cross References
Genesis 44:33Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’ itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ ny rahalahiny.
Numbers 16:22Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
2 Samuel 24:10Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
1 Chronicles 21:16Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Job 42:6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Psalms 44:11Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.