Boky voalohan'ny Mpanjaka 3:18
koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 3
Cross References
1 Samuel 9:16Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin’ ny tanin’ ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
1 Samuel 15:28Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
1 Samuel 16:12Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
Psalms 89:3Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Psalms 132:17Ao no hampitsimohako tandroka ho an’ i Davida Sy hanamboarako jiro ho an’ ny voahosotro.