Boky voalohan'ny Mpanjaka 3:35
Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 3
Cross References
Judges 20:23Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
Ruth 1:17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’ i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
2 Samuel 1:12Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
2 Samuel 12:17Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin’ ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
Jeremiah 16:7Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin’ ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin’ ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin’ ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;
Ezekiel 24:22Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona;