Boky voalohan'ny Mpanjaka 3:8
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 3
Cross References
1 Samuel 15:28Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
1 Samuel 24:14Araka ny lazain’ ny ohabolan’ ny ntaolo hoe: Avy amin’ ny ratsy fanahy no ivoahan’ ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
2 Samuel 3:18koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
2 Samuel 9:8Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
2 Kings 8:13Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
Psalms 76:10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]