Boky voalohan'ny Mpanjaka 4:8
Ary nitondra ny lohan’ Isboseta tany amin’ i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’ Isboseta, zanak’ i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an’ i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ ny mpanjaka tompoko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 4
Cross References
1 Samuel 18:11Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
1 Samuel 19:2Ary Jonatana nanambara tamin’ i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’ izay fitoerana mangingina, ka miere;
1 Samuel 20:1Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan’ i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
1 Samuel 24:4Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
2 Samuel 18:19Dia hoy Ahimaza, zanak’ i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nanomezan’ i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin’ ny fahavalony.
2 Samuel 22:48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,