Boky voalohan'ny Mpanjaka 5:3
Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 5
Cross References
Judges 11:11Dia nandeha Jefta niaraka tamin’ ny loholon’ i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’ i Jehovah tao Mizpa.
1 Samuel 16:13Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ ny rahalahiny; ary ny Fanahin’ i Jehovah dia nilatsaka tamin’ i Davida hatramin’ iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
2 Samuel 2:4Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
2 Samuel 3:21Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
1 Chronicles 11:3Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Samoela.
2 Chronicles 23:16Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ ny tenany mba ho olon’ i Jehovah.