Boky voalohan'ny Mpanjaka 5:9
Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 5
Cross References
Judges 9:20Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’ i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’ i Abimeleka.
2 Samuel 6:10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
1 Kings 9:15Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera
1 Kings 11:27Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
1 Chronicles 11:8Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin’ ny tanàna.
Nehemiah 3:15Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.