Boky voalohan'ny Mpanjaka 6:13
Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ i Jehovah, dia namono omby sy zanak’ omby mifahy izy hatao fanatitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 6
Cross References
Numbers 4:15Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.
Joshua 3:3ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy
1 Chronicles 15:2Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
1 Chronicles 15:25Ary Davida sy ny loholon’ ny Isiraely mbamin’ ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy tao an-tranon’ i Obed-edoma tamin’ ny fifaliana.