Boky voalohan'ny Mpanjaka 6:19
Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 6
Cross References
1 Kings 8:66Ary nony tamin’ ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
1 Chronicles 16:43Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
2 Chronicles 30:24Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
2 Chronicles 35:12Dia natokany ny fanatitra dorana homen’ ny olona araka ny fizaran’ ny fianakaviany, mba hateriny ho an’ i Jehovah araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy. Ary toy izany koa tamin’ ny omby.
Ezekiel 45:17Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin’ ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ ny taranak’ Isiraely; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny taranak’ Isiraely.
Ephesians 4:8Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.