Boky voalohan'ny Mpanjaka 6:20
Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly, nivoaka hitsena an’ i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ ny zanakavavin’ ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 6
Cross References
Joshua 24:15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
1 Samuel 18:20Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly kosa tia an’ i Davida; ary nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, ka sitrak’ i Saoly izany.
2 Samuel 6:14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
2 Samuel 6:18Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
Nehemiah 4:3Dia nivavaka tamin’ Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’ alina noho ny fahatahoranay azy.
Psalms 30:1Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida.