Boky voalohan'ny Mpanjaka 7:1
Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin’ i Jehovah tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Joshua 23:1Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
1 Kings 5:4Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin’ ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin’ ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin’ ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
1 Chronicles 22:6Ary niantso an’ i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an’ i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,
1 Chronicles 28:2Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
2 Chronicles 20:30Ary nandry fahizay ny fanjakan’ i Josafata; fa nomen’ Andriamaniny fiadanana tamin’ ny manodidina izy.
Psalms 132:5Mandra-pahitako fitoerana ho an’ i Jehovah. Dia fonenana ho an’ ny Maherin’ i Jakoba.