Boky voalohan'ny Mpanjaka 7:11
sy tahaka ny hatramin’ ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain’ i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
1 Samuel 12:9Nefa raha nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan’ i Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Hazora, sy ho eo an-tànan’ ny Filistina ary ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Moaba, ka niadian’ ireo izy.
2 Samuel 7:1Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin’ i Jehovah tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
1 Kings 2:24Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
1 Chronicles 17:10sy tahaka ny hatramin’ ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
Job 5:18Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.