Boky voalohan'ny Mpanjaka 7:2
dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Exodus 40:21Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Samuel 6:17Ary nampiditra ny fiaran’ i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ ny fitoerany tao amin’ ny lay izay naorin’ i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah.
2 Samuel 11:11Fa hoy Oria tamin’ i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin’ ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon’ ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
1 Kings 1:8Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an’ i Davida kosa tsy mba niandany tamin’ i Adonia.
1 Chronicles 14:1Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
1 Chronicles 29:29Ary ny tantaran’ i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Samoela mpahita sy ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany ary ao amin’ ny bokin’ i Gada mpahita izany,